You are here: home > Vetso

SOAVALY VY - Ndaox

Azo vakiana?

Biby hafa kely ny soavaly vy
Mivezika etsy mivezika ery
Tsy manana tongotra atehina an-tany
Fa kodiaran-droa no misosa mankany

Ny kibony mihovitra sady mibetroka
Ny rambony kosa dia mamoaka setroka
Mibetroka nefa toa tsy manam-bava
Ny masony indray… io fa mazava

Taingainan’ny tompony mampalaelo
Tsy mba iray na hoe roa fa olona telo
Mahereza ianao ry soavaly vy
Mandehana mora  dia soava dia

Ndaox
01/05/2021

Mombamomba

Mpanoratra : Ndaox

Nampiditra : Ndaox
Daty : 05/05/2021
Mpamangy : 154
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

VAHINY TSY NAMPOIZINA
KORONA VIROSY