VAHINY TSY NAMPOIZINA (Ndaox)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy mandondona ao ambavahady
I rafotsy ve, no niverina sahady?
Sa i pata be no andeha hitaky trosa?
Sa ‘lay mpangata-bola izay marefo sy efa osa ?

Avelako eo ianao ry vary sy ry anana
F’izaho andeha itsangana hamoha varavarana
Akory ny hagagako vao nahita ilay vahiny
Tsy gasy fa vazaha toy ‘reo mpanjanaka fahiny

Bonjour mon ami, hoy aho tsy naka sarotra
Nasiako tsikitsiky dia nampiako pao-tsatroka
Manao ahona ianao, hoy izy koa namaly
Amin’ny endrika sariaka sady falifaly

Hafa kely kosa ity, hoy aho tany an-tsaiko
Vazaha miteny gasy fa tsy miteny baiko
Dia nanontany izy: fantatrao ve Jehovah?
Avy eo navoakany ilay boky misy lakroa

Navadiny ny pejy, novakiany ilay Teny
Narahin-tori-teny, tori-teny lava reny
Teny tsotra ihany, no nataony famaranana
Tsy inona izany, fa mila fibebahana

Fisaorana mitafotafo no asetriko izany
Saingy efa fantatro avokoa na i Matio na i Joany
Ka mandrampihaona ianao r’ingahy pasitera
F’efa sasa-miandry izay ny sotro sy ny vera

29/04/2021
Ndaox
--------
Rohy:
381 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ndaox
Nampiditra : Ndaox
Daty : 05/05/2021 18:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01