Ny Aina sa Niaina (NekenaAndrià (Kanton'ny Alina))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injany, Injany ambadika any, Misy feo manakoako, mihiaka mafy mitomany.
Maro ireo izay misafidy ny hizaka irery zany,
Misy kosa ireo milaza fa efa te handao ny tany.
Niaina fijaliana, sa ao anaty fahoriana
Mahatsiaro torovana sy irery rehefa tonga eo ampandriana.
Tsy misy afatsy ny lamba no mba hany ho fihinina rehefa any ambony riana.
Anaty hefitra mangiana, tsy handrenesam-peo, tsy misy zava-mahaliana.
Hoy ianao hoe anakampo : "Aleo maty sy tsy misy, feno fitaka ary sotasota foana no iainana",
"Efa eny an-tsandrin'ny olon-kafa ilay fitarainana", ary "Miangatra ny fiainana"
Nanapa-kevitra hono ianao, satry mahatsapa resy, efa lavo.
Niandry foana ilay maraina, anaty alina mangiana, sy mangatsiaka tsy misy afo.
Dia noraisinao ny antsy sy ireo karazam-panafody,
Nasinao teny kely hoe : "Eto ny amiko no hifarana, ho any amin'ny varo-tsy mifody".
Kotsan-dranomaso ny tarehy, mavesatra sy tery ny any anatinao any.
Tsy anaty fifaliana fa noho izany rehetra izany no andaozanao ny tany ?
Injay ianao fa misento, noho izany petrak'olana izany,
Dia mbola hiteny ihany hoe : "tsy misy dikany ny fiainana, iainako eto an-tany,..."
Kanefa misy sarobidy noho "Ny Aina" ve ? Ataoko angamba fa hoe tsia.
Maro ny ady izay mandalo, mbola misy mafy noho ny entinao, mahaiza mankasitraka, ary mankafy.
Satry raha mbola miaina ianao izao, dia tsy kisendrasendra, fa mbola manana safidy sy hanova indray hoavy.
Aza resin'ny alina mangina, averiko in-droa ny hoe : "Ny maraina mbola ho avy, ny maraina mbola ho avy..."
"Ny Aina sa Niaina", anao irery ny safidy
fa tsy misy tsara noho ny miaina, aleo hifanesy ny mamy sy mangidy.
NekenaAndrià
23/01/2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
NekenaAndria - Azrael666
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : NekenaAndrià (Kanton'ny Alina)Nampiditra : NekenaAndria
Daty : 23/01/2026 07:22
