Taratasy ho an'i mama (Nikopol)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARATASY HO AN' I MAMAAmin’ny fotoana
Hamakianao ity taratasy ity
Dia efa vita ny amiko...
Nifarana hatreo.
Mama,
Tsy hadisoanao,
na izaho no ratsy taiza,
Fa leo ny fiainana aho.
Leo sady resy,
Ireo ady nifanesy...
‘Zay ny fahalemeko...
Nandramako daholo
Izay rehetra mety,
Mba ho mendrika an’i Dada,
Tsy fantatro akory...
Tsy vitako ry Mama...
Tsy vitako..
Resin'ny fiainana aho...
Resy...
Mama,
Miandry ahy ve Dada
any ambany rangolahy?
Manomboka jambena ny masoko, ny foko...
Mama,
Tany karakaina ‘zao tontolo ‘zao.
Ny hany nanamamy dia ny fitiavanao...
Je t’aime Maman
Aza homena tsiny 'za...
Je t'aime
Nikopol
--------
Rohy:
Hevitra mandeha

bichette
(
04/03/2005 12:58)
oups ! hakona aho ...
Nikopol .... antenaiko fa tononkalo fotsiny ity fa tsy tena izany marina no halefanao an'i mama ..... raha tena izany dia aza mety resin'ny fiainana izany ry zoky a ! eto ny namana afaka hanampy anao .......
tiens bon !!!!!!!
Nikopol .... antenaiko fa tononkalo fotsiny ity fa tsy tena izany marina no halefanao an'i mama ..... raha tena izany dia aza mety resin'ny fiainana izany ry zoky a ! eto ny namana afaka hanampy anao .......
tiens bon !!!!!!!

booboo
(
04/03/2005 16:37)
oh-oh ! quel cri de désespoir !

chipie1
(
07/03/2005 11:49)
oh la la , mety ho tsara io raha hatao hira ...lol

nikopol
(
04/05/2005 12:04)
xxx

Jemes
(
05/05/2005 11:55)
tsara

pissoa
(
17/02/2006 16:28)
Manao izay hitomanian'ny mpamaky indray Niko an!