MITANONDRIKA (Nisi-fid)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitanondrika ianao fa kivy.
Satria renao ny mafaitra sy mangidy.

Mitanondrika mba hitaraina,
sa mitanondrika mba hila saina?

Dia aleo mitanondrika hivavaka.
Hanafaka ny tongotra lasak'an-davaka.

Mitanondrika hamisavisa ny hoavy.
Hametraka vina vaovao ary koa paik'ady.
Nisi-fid, 18 Jona 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
863 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nisi-fid
Nampiditra : nisi77
Daty : 17/06/2016 12:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145