NY FITIAVAKO (Nofenoina Natiora Nitsimoka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVAKO❤️‍?

❤️Tia ahy hono ianao
Saingy miahotra noho 'reo vazivaziko
Fa tsotra ny ahy ny valiny
Tsy akory ianao ho laviko

?Fa azonao andramana
Ny mitia ny foko raha ho vitanao
Fitiavana miharo hamafisan-doha,
Tsy mifanambitamby
Mety koa tena fitia fa nolaroina sangy

?Fo miendri-baton'ny fitiavana efa lasa
Mba tsy hisy intsony ratra
Ka raha tia ahy ianao,
Dia ataovy vonombonona
ny saina sy ny fo
F'isika hifankatia ,
Anatin'ny hamafisan-doha.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

06 APRILY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
22 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122