DADA FOANA IANAO (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DADA FOANA IANAO ?

?Mbola ren'ny orona
'Lay fofon-davenonana,mandon-dranomaso
Narotsak'i Neny noho ny hetraka sy ankaso
Natosak'i Dada
Tsy voalevon-tsaina na hadinoina aza

?Mbola anaty masoko
'lay toerana fitakokoanay Kely
Rehefa mamo I Dada ka midaroka an'i Neny
Manatampify fo no Sady mikorotan-doha

??Saingy,aoka 'zany ho any e!
Tsy natao hitanisana izany
ny andro androany
Aleo ny tsara vitany hatrizay
No hanapoirana fisaorana
Fa izy no singa, nampisy koa ny misinay
'Lay nikaroka karama na aza anatin'ny orana

??Maro ireo natolotrao Ka mendrika tolorana
ny teny hoe: misaotra!
Mankasitraka ry Dada a!
Tsy manan-teny lava fa
Tokoa,irinay zanaka
Raha mba hiova ianao
Fa Dada foana ianao.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

16 JONA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Dada
6 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117