FITIA IRAY TAHO (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA IRAY TAHO ❤️

❤️'Lay fo miendri-batoko
Naverinao indray ho amin'ny endriky ny fo
'Lay rantsana fitia natsatoko,
Hay naniry tamin'ny tahony ka namaka sy namoa

?Voatokana hiaina eny amin'ny tany ngazana
Mba ho hafa indrindra eo anivon'ny fisiana
Vao nitsimoka dia efa nisantatra fitiavana
Avela hihitsam-boa mba ho dimby ao aoriana

?Taho iray isika ka tena tiako loatra
Miara-mitopa rehefa tsofin-drivotra
Na aza ny hasarota-piaronao mitady ho tahaotra,
Dia ny fitia no mihazona ny fakam-pitokisana

?Matetika Aho misento,rehefa eo anilanao
Satria mandatsaka an'reo fitia atolotrao
Mba hifahatra tsara ao anaty foko
Tsy akory hotehiriziko ao fa ampiako n'y fitiavako
Mba ho lasa vonim-pitia mareva-doko(...)

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
10 JOLAY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
11 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NofenoinaNatiora
Nampiditra : NofenoinaNatiora
Daty : 29/01/2026 14:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114