SENTO (Nofy Hery Njakatiana (NHN))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SENTO
Io lay toerana fahiny
Niarahana nampiaraka
Indrisy mantsy ankehitriny
Zary tafasaraka

Io iany koa lay voninkazo
Zary taho maina tsy namoa
Toa kilakila sy nandazo
'lay vonkazon-tsika roa

Tsiaro tsy hay hadinoina
tadidy tsy afaka an-tsaina
toa tatara saro-bonoina
....zary mitaraina

Lay diavolana balika iny
Lay diavolana tomaratra
Eeh!Nanjombona izy ankehitriny
Zary tadio sy oram-baratra

Mbola hoavy ve ilay maraina?
Mbola mino aho ary mahatoky
Mbola hijoro tsy halaina
Hikasakasa ilay nofy nofy

Nofy Hery Njakatiana
09/01/21
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - embona - Alahelo
381 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy Hery Njakatiana (NHN)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 26/10/2022 11:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149