Hevitra momba ny Fantaro

Hiverina amin'ny Fantaro
DotMG ( 02/07/2013 14:42)
Fantaro koa fa izay tia mahandry.

Tsoriko amin-dria, fa efa hain'ny bandy
hamboraka fitia, ilay mandadilady
Mody miboredika, matahotra ny holavina
Toa sambo efa ho rendrika, maniry mba hotiavina.

Fika efa fanao, ilay mody nandranandra
Ilay masony aminao, tsy sahy mivandravandra
Mipitrapitra ihany, tsy manam-pahotana
Fa lainga anefa izany, manafina hadalàna.

Izay mety ho ranomasony, dia ranomasom-boay
Fa ho hitanao ny ankasony, rehefa hoe injay
Mahazo valin-teny, indrindra ilay niriany
Ka hovalianao "Eny", ity fitia toriany.

Fa avy ianao dia hohaniny, potehiny, kaikeriny
Ka mandra-pahalaniny, dia handaniany ny heriny
Izy ho voky, ho tofoka, ho tonga am-paradisa
F'indria raha te hikofoka, tsy ho amelany sisa.

Ny fika lehiretsy, raha misy mahababo
Meteza mba ho fetsy, sy tsy manaiky ho bado
Ny azo omena hoe, dia molotra sy sandry
Fa raha ilay entam-be, aleo izay tia mahandry.

Aleo ny fahamasinana, tsy atolotolotra azy
Fa miandry fanadinana, miandry mariazy
Izay tonga hatramin'izany, no afaka hisantatra
Kanefa izany androany, dia mbola ho ankamantatra.

DotMG, 02 jolay 2013
Nofy2 ( 06/07/2013 14:04)
marn zan!mankasitrak e!
andry 1000 ( 08/04/2015 04:30)
tena mahay daholo nareo kah!! de mivanaka fotsiny ato e!
Nofy2 ( 30/11/2015 13:21)
misaotr e!
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0103