Fantaro (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa izy izay no tena be safary
Milaza ny fitiavany ka tena be kabary
Ambarany eo daholo izao rehetra izao
Raha izay no miseho ipitsiho,ialao
Tsy vokatry ny fony fa mety hilalao
Angamba mety hisy tetika adiny ao

Rehefa izy indray no mandoka tena
Miseho tena ambony ho manan-karena
Ka izany indrindra no ilazany ny fitiavana
Fa sao dia sanatria izy dia ho lavina
Fa fomba fotsiny ihany entina hambaboana
Entina hanaiky,entina hanjonoana
Ny fitiavanao

Fa rehefa izy kosa no sahirana miteny
Toa tsy hita izay ambarany ary koa tsy mahajery
Miondrikondri-doha milaza fa dia “tia”
Tsoriko aminao fa izany ny ho doria
Fitiavana maharitra tsy mila tombontsoa
Tsy mitady zavatra hafa fa tena avy ao am-po


Nofy2
13 Mars 2007
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1403 1
Mpakafy: Nofy2
Hevitra mandeha
DotMG ( 02/07/2013 14:42)
Fantaro koa fa izay tia mahandry.

Tsoriko amin-dria, fa efa hain'ny bandy
hamboraka fitia, ilay mandadilady
Mody miboredika, matahotra ny holavina
Toa sambo efa ho rendrika, maniry mba hotiavina.

Fika efa fanao, ilay mody nandranandra
Ilay masony aminao, tsy sahy mivandravandra
Mipitrapitra ihany, tsy manam-pahotana
Fa lainga anefa izany, manafina hadalàna.

Izay mety ho ranomasony, dia ranomasom-boay
Fa ho hitanao ny ankasony, rehefa hoe injay
Mahazo valin-teny, indrindra ilay niriany
Ka hovalianao "Eny", ity fitia toriany.

Fa avy ianao dia hohaniny, potehiny, kaikeriny
Ka mandra-pahalaniny, dia handaniany ny heriny
Izy ho voky, ho tofoka, ho tonga am-paradisa
F'indria raha te hikofoka, tsy ho amelany sisa.

Ny fika lehiretsy, raha misy mahababo
Meteza mba ho fetsy, sy tsy manaiky ho bado
Ny azo omena hoe, dia molotra sy sandry
Fa raha ilay entam-be, aleo izay tia mahandry.

Aleo ny fahamasinana, tsy atolotolotra azy
Fa miandry fanadinana, miandry mariazy
Izay tonga hatramin'izany, no afaka hisantatra
Kanefa izany androany, dia mbola ho ankamantatra.

DotMG, 02 jolay 2013
Nofy2 ( 06/07/2013 14:04)
marn zan!mankasitrak e!
andry 1000 ( 08/04/2015 04:30)
tena mahay daholo nareo kah!! de mivanaka fotsiny ato e!
Nofy2 ( 30/11/2015 13:21)
misaotr e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 02/07/2013 08:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184