Ny aina (Nomenjanahary NY FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny aina,

Ny aiko dia tsy ahy
Fa mbola misy mpiahy
ka na anio aza no halainy
Tanteraka zay kasainy

Ny aina tsy mifametra
Noho izy manampetra
Fa na anio aza no hiala
Enao tsy hana-kambara

Ny aina hono sarobidy
Satri tsy mba voavidy
Ary tsy maro fa tonkana
Ka arovy sao misy misompatra

Ny aina lahy Ramangatahiana
Aza amoizana olon-tiana
Fa na tinao aza izy
Enao mbola manana adidy

Ny aina lahy tonkana
Tsy miankina aman-toetra
Ka na enao aza no "bonkona"
Avelao ny herisetra


(NY FANAMBY Nomenjanahary,Ny aina..fevrier 2023)
--------
Rohy:
356 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nomenjanahary NY FANAMBY
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 11/02/2023 09:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146