ANKAMANTATRA TOMANY (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala ah!
Saika mba hanontany,
Hoe: "inona ary izany" ?
Ny masoko mijery toa manganohano:
Mitomany irery, jereo fa misy rano.
Kotsa tena lena...
Nefa izaho tsy mahonena!
Tsy malahelo akory,
Tsy manan-javatra mahaory:
Hendry be ianao, tsy mba mampirafy,
Mampidim-bola, tena miasa mafy!
Nefa ny ranomasoko dia mibaribary;
Ô... Fa maninona ary???


Izany ve dia tsy fantatrao...?
Satria tongolo retsy no foasako eto izao!

03/11/17
Tamin'ny 8 ora maraina
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
276 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118