AZA GAGA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza gaga ianao fa izaho ihany ity:
'Lay tovovavy kely, niezaka nitia.
Nangataka fiadanana,
Naniry fahasambarana;
Ny mba hotiavinao mandrakizay....
Dimy taona lasa izay.

Ka moa tsaroanao tamin'iny?
Izaho mba nanambitamby,
Nefa notezerana sy nilàna ady.
Niandrandra mba hotiavina,
Nefa dia nolavina.
Sy nambaniana tsy nanan' antra,
Satria,
Sady ratsy no mahantra.

Ka moa fantatrao amin'izay?
Hoe: izaho ange ilay sipa tamin'iny,
Dia ilay mongo volo nolavinao fahiny.
Saingy ankehitriny,
Efa lasa tsara.

Ka aza gaga ianao,
Fa ny fiainana kodiara.

21/03/18
Tamin'ny 5 ora hariva
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
187 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124