LAMBA MIJALY (Np Augustin)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eo am-pandriana misy zavatra adino,Tongavà mijery raha toa ka tsy mino.
Lamba vasoka sy efa rotà:
Ela niatezana ka efa tonta!
Dia mipetrà-potsiny tsisy mpanao...
Ny tompony mantsy nahazo vaovao.
Ka dia nariàny tsy nampiasainy;
Nohadinoiny fa efa tranainy!
Jereo izato izy fa mampalahelo...
Feno faroratra sy tain-delo.
Potika be, tsy mahate-hijery:
Misy fofona maimbo mahavoan'ny sery!
Ka na zoky na zandry na namana io:
Dia avy hatrany dia anontanio.
Mba tena hadihadio tsara hono,
Sao mantsy dia azy ilay tatinono!
21/10/17
Tamin'ny 7 ora sy sasany
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana - Aingam-panahy
Mpakafy:
NpAugust1
