MINO AHO (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy kivy aho fa manantena hatrany ,
Hoe mbola hifankatia isika indray andro any .
Any volana ,any taona hifoha ny fifaliako :
Ka ianao amin'izay no ho lasa olon-tiako.
Ary hofihininao ity tanàko ity ,
Eh! Dia tena ho faly erÿ....
Ianao manao izay hahasambatra ahy ,
Ka hibitsika mangina hoe : "tiako lesy ialahy".

Tsy manonofy aho akory,
Na koa lasa adala amin' izato faniriako ,
Fa fotsiny aho mino :
" Indray andro any ianao ho lasa olon-tiako " .

25/11/18
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
190 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119