NA DIA MPANOTA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao na mpanota ohatry ny ahoana,
Dia mbola tian' Andriamanitra foana;
Omeny fitiavana, famindram-po...
Raisiny am-pifaliana sy an-tanan-droa.

Satria ianao,
Dia toan' ilay zaza mpandany,
Ilay naka ny lovàny mba hilibàny...
Kanefa avy eo niverina nody,
Ka nanaovana fety, namonoana ondry;
Mantsy faly ny Ray ,
Fa very ity zanany ka hita indray...

Dia toy izany ianao ry zandry malala !
Ka indro lazaiko, averiko ambara :
"Ianao na mpanota ohatry ny ahoana,
Dia mbola tian' Andriamanitra foana..."

02/05/18
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
130 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123