REHEFA LASA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tonga ity andro anankiray ,
Handehananao any amin'ny mandrakizay ;
Dia hisy fiovana hiseho sy hitoetra :
Ho tia anao ny olon-drehetra .
Na ireo mpanaraby na ireo nanao ratsy ,
Dia tonga hiara-tory , hiandry faty.

Eny hatramin' ilay vehivavy nokôtiana,
Tsy mba nanaiky na dia niangaviana ;
Dia ho tonga hanome voninkazo :
Hitomany ka halazolazo .
Toan'ny hoe : " olon-tiany ise "
Tsy foiny sady tiany be.

Izany tokoa, tsy haiko hoe nahoana ,
Fa rehefa tonga izato fotoana ,
Handaozanao ny tany ,
Dia zary toa tomany ,
Izao tontolo izao ,
Ny olon-drehetra koa toa lasa tia anao.

16/09/18
--------
Lien:
Catégorie : Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina
130 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0133