TONONKALON'I TOMPO (Np Augustin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa izaho teraka, tonga teto an-tany,
Dia tsy noho inona izany :
Fa mba tiako ianao tsy ho azom-pahotana;
Ho voarebireby amin'ny asan'ny satana.

Ary matoa izaho niaritra,
Ny jaly izay naharitra,
Nampisento, nampahory;
Dia tsy noho inona akory.....
Fa ny tena tia dia mahafoy ny ainy,
Hamonjy ny sakaizany no masaka an-tsainy.

Ary matoa koa aho nitsanga-ko velona,
Dia fitiavana ny olombelona,
Mba hino an' Andriamanitra;
Ka rehefa maty dia hankany an-danitra.

27/03/18
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
183 1
Mpakafy: NpAugust1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Np Augustin
Nampiditra : NpAugust1
Daty : 30/06/2025 10:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112