TSY MBA TARA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahoby no anarako,Eny Ankatso no ianarako.
Alavidavitra tokoa;
Raha miainga eto Ampefiloha.
Kanefa izaho tsy mba tara,
Fa tonga soa aman-tsara,
Manaja izay fotoana:
Isan'andro, isan-taona.
Mantsy aho rehefa maka taksibe,
Tsy mila miandry ela be,
Fa vao tonga dia mandeha,
Na amin'ny ora fandehanako
Na amin'ny ora izay hodiako,
Satria " resevera " aky ny olon-tiako.
Dia izany no antony ahazoako fiadanana:
Efa tsy mandoa saran-dalana,
No mbola aterina kahatreo am-pianarana.
Ka ianao koa
Raha te ho toa ahy:
Tsy mbola tara na oviana,
Dia "resevera" retsy alaina olon-tiana .
Tamin'ny 9 ora maraina
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
NpAugust1
