VELOMA NATAONY (Np Augustin)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza tsiny ry tiako,Fa akaiky ny hodiako;
Dia 'lay ora farany iainako eto,
Ka aza tomany na koa sentosento,
Fa ny fahafatesana dia lalam-piainana.
Satry tokoa hiaraka foana,
Hamakivaky an'iny havoana;
Dia hiara-handre ny fofony manitra.
Saingy,
Tsy antsika ny aina fa an' Andriamanitra.
Izy no manome ary izy no maka.
Fa ny hany azoko atao,
Dia ny mitso-drano anao:
Hahita olon-kafa hasolo ny foko;
Mba hahasambatra anao indray...
Ka etsy ry tiako, veloma amin'izay.
01/02/18
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
NpAugust1
