ZANAKY NY LALANA (Np Augustin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho 'lay zanaky ny lalàna ,
Tsy mba manana hoenti-manàna ;
Hiatrehena ny fiainana ,
Tsy misy ray sy reny afaka hitarainana :
Ka jerena ivelany toa maloto akanjo...
Izaho no mitady ny hoaniko isan' andro.

Dia mbola izaho koa,
Ilay zanaky ny lalàna ;
Tsy nandia fianarana ,
Fa mirenireny ,
Eny rehetra eny .
Ka mba ahazoana vola ;
Dia mandihidihy sy mihirahira ,
Indrisy nefa tsy asianao sira...

Zanaky ny lalàna mangataka aminao ,
Mila fanampiana raha mba azo atao.

17/11/18
--------
Rohy:
135 1
Mpakafy: NpAugust1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Np Augustin
Nampiditra : NpAugust1
Daty : 30/06/2025 11:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127