ZAZA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ho any misy ankizy;
Sambatra izay tsy izy.
Hamonjy lakilasy,
Dia omena vatsy.
Saingy tia tory...
Tsy mianatra akory !
Tsy manao enti-mody,
Ny naoty dia atody.

Indraindray,
Mody miera hoe "hivoaka",
Ka iny lasa mandeha misotro toaka!
Fa aleony miala voly;
Toy izay mandeha sekoly!


Nefa any misy zaza tena mahonena,
Miasa sahady, mivarotra eny an-tsena.
Te hianatra kanefa tsy manana "ekôlazy"...
Mba saintsaino ihany fa tsy fidiny azy!

15/11/17
Tamin'ny 6 ora latsaka 10 minitra
--------
Lien:
201 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125