FAHALEOVANTENA Ady mafa (Ny Aloka Tarabolana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHALEOVANTENAAdy mafaitra,nandremby ny aina
No nahazahoana ity fahaleovantena
Koa tandrovy lahy tsy ho very maina
Fa manankasina ity firenena
Fa ny fahaleovantena tsy ho fahaleovantena
Raha tsy tojo tao ny fahafahana
Ilay fahafahana mba hahaleo tena
No hijanonan'ilay fanjanahana
Ady sy tifitra tamin'ny basy
Kiaka olo-maro sy rà menamena
Ny tanjona tsotra ry ilay Malagasy
Mba hahazahoana ny fahaleovantena
Inana no nandova izay azony tany
ka miasa ho an'ity firenena
Ny fanjanahana afakao izany
Azon' ise izao ny fahaleovantena
NY ALOKA TARABOLANA
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Aloka TarabolanaNampiditra : Ny Aloka Tarabolana
Daty : 01/08/2018 06:54