TOKAN-TENA Ny sigara izao (Ny Aloka Tarabolana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKAN-TENA
Ny sigara izao no solon'olotiana
Tsy miala eo imolony
Dia tavoangy koa no hondana hatoriany
Tsy miala ao andohany

Io ny vavany io efa hihitatra
Izay omenao laniny
Toaka roa na telo litatra
Izay ilay solon-dranomaniny

Ilay feony nibetroka
Tsy sitrapony akory
Ritra ilay setroka
Fanalany sorisory

N'iza ianao lalovany
Mifitsaka avy hatrany
Raha mahita ny salovany

Izy tsy hitia intsony
Fa naleony tokan-tena
Ho an'ny toaka sy rongony

Ny Aloka Tarabolana
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina
1199 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097