tsy hatahotra ny loza (Ny Andri - Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hatahotra ny loza

Andeha ny Irakao
Andeha tsy hitalaho .
Hitety izao tontolo izao ;
Noho ny anaranao .

Eny an-dàlana eny tsapa...,
Feno zava-tsarotra
Ho sahirana ny saina ;
Izay hita nampiferinaina .

Ny ao an-tsaina raha ny hita
Samy tiana na tsy tia .
Izay rehetra nanoloana !
Toa tebiteby foana .

O! Ry Tompo Zokinay
Antenaiko rahatrizay ,
Tsy hatahotra ny loza ,
Ireo mpanomponao voasedra

24 Janoary 2007 Ny ANDRI - FARA
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
53 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Andri - Fara
Nampiditra : SANAKERIB
Daty : 26/03/2024 07:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145