NY SORATRA MITENIKO (Ny Andri - Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SORATRA MITENIKO

NY SORATRA MITENIKO

Ny Teny no entiko hanambara
Izay tsy sahin’ny peniko lazaina .
Ny soratro no hanehoako ….,
Hampihoitra , handrisika , ny hetahetam-panafahana .

Hanoratra aho..Hanoratra tanteraka
Hitrandraka ny asa soratry ny fiainana .
Ka ny saiko na ny sofiko ; ny masoko !
Hamelona indray ny fiandrianam-pireneko .

Ny soratro no teny anehoako…
Fa aoka hitraka ! hitsangana hiarina ;
Handeha hiady , hitolona…Hikiry ,
Ho an’ireo mahantra sy kamboty .

Ny teny no sandaiko an-tsoratra
Hanakoako ho ren’izao tontolo izao ;
Sy ny fikirizako hisesy hamantarako ny marina ,
Handavoako ny hakiviana , hikoloako fandresena .

Na ny soratro na ny teniko
Tsy ho zary nofinofy fa atambatro , arafitro ,
Ka toy ny soratra miteniko , angolaiko sy antsaiko ;
Amiseho ankarihary ny hasambarana sy ny antony .


28 Desambra 2012
Ampandrianomby . 22 Martsa 2024 . 08 h 40 Mn
Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
68 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Andri - Fara
Nampiditra : SANAKERIB
Daty : 22/03/2024 05:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136