NALEOKO TSY IANAO ( Album Nofy sy Tamberina ) na Ilay Sakaizan'ny resy (Ny Andri - Fara)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NALEOKO TSY IANAOMbola ho alina ny andro
Tsy maintsy hisy ny maraina .
Ka tsy ho Nofy intsony ,
Izay rehetra mba iainako .
Kanefa tsy hamela ahy
Ho safononoky ny hasambarana .
Ny fahitako anao moana tsy miteny ;
Tsy fantatro hoe,ahy ve ny fahadisoana !
Tantara fohy no fantatro
Ny lasantsika ny hoavintsika ;
Toa nofy mampatahotra...,
Nanambara fisarahana .
Dia tapaka ny hevitro
Ny hiresaka aminao
Ajanako ny fifandraisana ;
Izay efa nifanaovantsika .
Na ho alina ny andro
Na ho avy ny maraina!
Aleo hanaintaina hangirifiry ;
Ny vetson'ny fo voaratra tokoa .
Tsy ho tezitra aho akory
Kanefa tsy ho faly ihany koa .
Avelao hikoriana indray ny ratra !
Fa efa akaiky ny fara famoizana .
Ny Hafatro ekeo , azonao ?
Fafao avokoa ny lasako rehetra ,
Ary voleo vonin-draozy...;
Izay tena halanao ny fasako .
Aza tondrahana avelao izy ho maina
Ka hiraraka ho azy , toy ny nofoko ihany ;
Ilay felana izay mba naniry...,
Mba ho dindon'ny fitia efa mba natolony
16.03.2003 Ny Andri - Fara
--------
Rohy:
Mpakafy:
SANAKERIB