Hangina aho! (Ny Andriandriambeniandry)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hangina aho tsy hiteny,F’efa vitanao ireny!
Maina izao ny ranomasoko,
Ny alaheloko horeseko!
Hangina aho! Ampy izay!
Fa nandoro, nahamay!
‘Lay Fitiavako anao,
Nefa nataonao ho kilalao!
Hangina aho nefa ny Foko,
Mbola tsaroako mitoloko!
Tsy mety manadino anao,
Fa mahatsiaro lava izao!
Hangina aho, nefa ny saiko,
Tsy manaiky izay kasaiko,
Fa vao maraina vao mifoha,
D’ianao no masaka ao an-doha!
Hangina aho, nefa ry aiko,
Ireo lasa mamintsika,
Mialohalo ato an-tsaiko,
Tsy mety resy be dohika!
Ireo lalana niarahana,
Ny toera-nitafàna,
Mamerina ao an-tsaina,
Ireo lasa: mampitaraina!
Angamba mbola hiteny aho,
Hampatsiahy anao indray:
Tsy mahay tsy tia anao aho
Mandrakizay, mandrakizay!
Nefa…aoka ihany hangina aho,
Mbola ho foana ny talaho!
Mivavaka aho ho afa-patotra,
Mba hiadana finaritra!
Hangina aho, tsy hiteny,
Noho ireny rehetra ireny,
Andriamanitra hitsara,
Sy hanome izay ho anjara!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny AndriandriambeniandryNampiditra : zafimananadrazana
Daty : 07/05/2010 14:52