Hampiditra sary Nampiditra : zafimananadrazana
Daty : 07/05/2010 14:40
Nijery : 1304
Tononkalo: 2 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Ny Andriandriambeniandry

Efa mpanoratra sy mpamorona tonokalo hatramin'ny faha adolantsento saingy variana tamin'ny fianarana rehefa tonga teny amin'ny Anjerimanontolo sy tafiditra teo amin'ny sehatry ny asa tsy nahalalana havizanana sy tsy nananana fotoana niventsoventsoana!
Aty aoriana, efa mihoatra ny 40 taona niainana vao mba afaka misento kely amin'ny asa sy ny adidy ka dia niverina indray teo amin'ny asa soratra!
Efa mpanoratra rahateo ny Raibeko, angamba be mpahalala ihany i Emile PARSON antsoina ihany koa hoe "De la Marquise" nanoratra ny "An'iza ny foko?" sy boky maro samy hafa! Ho tohizako ary ny efa natombony ary santionany izao alefako eto izao, notsoahina tao anatin'ilay tantara nosoratako hoe "L'ombre de moi-même"
Mahazahoa fafinaretana!
Zafimananadrazana
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ny-andriandriambeniandry
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139