Manina anao aho! (Ny Andriandriambeniandry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manina anao aho Malalako,
Ny lavitra anao tena halako !
Irery aho ary tena mangina,
Fa tsy akaiky an’ilay Olontiana!

Manina anao aho Malalako,
Nefa aho tsy afaka ho any!
Ny ventsoko sisa no alefako,
Hanakatra anao lavitr’any!

Manina anao aho Malalako,
Lasam-borona, very fanahy!
Izay ataoko tsy mety tontosako,
Ny fanahiko toa nandao ahy!

Manina anao aho Malalako,
Adala tokoa izany tia!
Nefa ianao no fanilon’ny lalako,
Raha tsisy anao aho dia maizin-dia!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3354 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Andriandriambeniandry
Nampiditra : zafimananadrazana
Daty : 07/05/2010 14:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137