You are here: home > Vetso

SAFIDIKO - Ny Hasina Heritiana

Azo vakiana?

Hijoro aho anio
Hanambara aminao
Fa na tsy tianao, safidiko io
Safidiko, Ahy, fa tsy anao.


Na hofenoinao tsikera
Ho fankahalanao ny safidiko
Ny pejin'ito serasera,
Tsy hampihemotra ny diako.


Sao heverinao aho fa ho menatra
No dia vazavazainao foana
Ka ataonao firesaka
Ny fiainako mandavantaona!!


Diso ianao raha izay
No mahatonga anao hanaratsy
Aoka ho fantatrao fa safidy ny ahy
Ka aza reraka mihantsy.


Safidiko io ka hijoroako
Tsy ilako sitraka avy aminao
Safidy vokatry ny foko
Na dia tsikerainao.

Ka ny hany holazaiko
Safidiko io ka hajaiko.

Sokajy : Malalaka

Hevitra mandeha

sitlo (26/07/2007 19:10:43)

:-D

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ny Hasina Heritiana

Nampiditra : yonikafopl
Daty : 22/07/2007
Mpamangy : 1495
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tsodrano
Tsy ho very anjara.