Tsy ho very anjara. - Ny Hasina Heritiana
Azo vakiana?
Ataoko angamba fa ampy izay,
ny fijaliako namaivay,
Niharetako , nihafiako fahoriana;
Leo aho ka aleoko aloha mangina.
Manontany tena aho indraindray;
fa dia inona loatra ity mahazo ahy?;
olona iray ve no ataoko hampijaly;
sa ity izaho dia tena voangaly?
Mbola maro ireo tanora maintso volo;
Samy mpankafia, tia fitiavana daholo;
Raha iray no miala, eny nahafoy;
aza mitaredretra fa tonga dia soloy.
Io no hery ho entiko miady;
Amin\'ity fahoriam-pitiavana izay mianjady;
manana finoana aho fa tsy ho very anjara;
fa raha olombelona tsy maintsy manana tantara.
Hevitra mandeha
Oully (31/05/2004 21:20:38)
Tsy maintsy mitraka no tanjona akia an!! dé mahereza!
nnn1 (29/11/2010 09:06:56)
courag ky fa fiainana daol zana! ar tsy ndry rer no mitondra fahoriana toy zay fa mbola mis mizaka lavitra noho zany ar any !
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Hasina Heritiana
Nampiditra : yonikafoplDaty : 28/05/2004
Mpamangy : 3276
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SAFIDIKOTsodrano