Indray androany * Rehefa (NY RARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray androany
*
Rehefa notiaviko ianao,ry Rima mpikalo
Natao hitovy hevitra amiko tanteraka
Na mbola hitoetra aho na handalo
Ireo sangan'asa tsy hitalapetraka
*
Ry lohataona manivatsiva any ho any
Mbola hamerina indray ireo dina natao
Na mbola hihira aho na ho tototry ny tany
Aza mitomany ianao.Ny ranomaso fafao!
*
Indray androany,ny lanitra no itoerana
Ary io ihany no tanteraka hionenana!
*
Ny Rary
--------
Rohy:
832 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146