Izy mianadahy * Toa samba (NY RARY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy mianadahy*
Toa sambatra ihany ireto fianakaviana
Niaina tao anatin'ny fahasambarana,
Kanefa nosembanan'ny fijaliana:
Foana ilay akany,trotraka,nifarana
*
Izy mianadahy no mizaka izato fiainana
Tsy mbola vory saina;tsy misy ianteherana
Na marary aza ny aina,iza no hitarainana?
Izao rehetra izao toa fanaperana
*
Dada sy Neny,maty tamin'ny ady lehibe
Iza intsony no mba hatao rehareha?
*
Ny lanitra manga,mandatra ny aina
Tsy homana lava,ao anaty karakaina
*
NY RARY
11 Septambra 2016
--------
Rohy: