Noelin’ny mahantra ! (Ny Tany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io fa !
Tonga indray ilay andro
Andrasan’ny Tontolo,
Higadona tsy ho ela
Nefa tsy ampitsangam-bolo

Noely !!!
Tonga lava tsy nantsoina
Ilay andro iray malaza,
Tonga ho azy ihany koa
Ny dera sy ny laza

Noely !!!
Io ilay andro tsara
Hanehoan’izao tonotolo’zao
Ny haingo, haratra rehetra
Sy ny fomba amampanao


Fa!!!...
Na mahantra na malemy
Na osa na ny very
Indreny tonga moramora
Hitsena ilay Anjely


Eh !!!
Fa ireo mahantra kosa
Mba ho aiza hoy ianao ?
Moa mba ho afaka hifaly?
Hanao izao rehetra izao?


Mino aho fa tsy natokana
Ho an’ireo mpanana ihany
Izany andro tokana izany
Fa ho an’ny rehetra
Raha mbola velona eto antany


H.I.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
3040 2
Mpakafy: haraldtohaina - Mael
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Tany
Nampiditra : Mael
Daty : 10/11/2003 15:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023