Safosafo (Ny Tany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay alina iray nangalariko izaho sy ianao
Ilay alina iray niondanako izany tratranao
No nanararaotantsika nitelomana ny hiaka
Dia ianao ilay manery mafy
Izaho kosa tsy nijaly nefa tena niafy

Iny alina iny no nalalako izany safosafo
Iny alina iny koa no nianarako nisafo
Nisafo anao malalako, tsinapan'ity tanako
De ilay fisefosefonao no injany reko any ho any
Trandremo an! aza mitomany

Injay afaka fotoana fohy
Indro isika fa nikamabana nifampitohy
Ianao namihina ahy mafy, ny hohonao ...
miletra sy maranitra mamely toy ny antsy
Tsy maninona fa izaho hiafy, de !!!, niafy!

De nikoriana teo ny fotoana
Indro ilay alina fa ritra sy nimaona
Reraka ianao, torovana koa izany zaho
Torovan-tsafosafo, toa voky nefa
tsy nihinana , tsy nisakafo


H.I.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2975 1
Mpakafy: Mael
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Tany
Nampiditra : Mael
Daty : 25/11/2003 16:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144