Tsy ho ahy - Ny Tany
Azo vakiana?
Tsy ho ahy.
Tsy ho ahy ianao fa fantatro, saingy izaho no…
no nandrebireby saina , nanififikifi-doha, sy tsy nanaiky ho lembenana
Satria tiako loatra ianao, ka ho ataoko izao sy izao !?, na dia efa fantatro aza fa…
Tsy ho ahy tokoa ianao.!.
Tsy ho ahy tokoa ianao.
na hanao inona aho na hatao inona ianao .
Fantatro satria !!!, Ny fonao dia efa babo, lasan’olonkafa, ka hanjakany koa ho laka!
Efa azy ianao ka minoa ahy fa ho ataony an’ izao sy izao,
fa izaho kosa...
Hampionona ny saiko
satria…
Tsy ho ahy ianao fa haiko
Tsy ho ahy tokoa ianao fa haiko,
eny é hiezaka aho hampitony ito saiko!.
Ho lakoiko izy, ho asiako, ho bedesiko ary koa ho tsiniako.
Ho tsindriako, raha mbola minia manontany ahy eny ihany, sy mamazivazy sesilany
Satria…
efa fantany fa tsy ihisy eto antany izany, dia ny hoe:
Ianao dia tsy ho ahy izany.
H.I.M
Hevitra mandeha
mampikanto (07/11/2003 07:13:31)
D tena tsarra tokoa ilay izy fa tsara rehefa tsapa tokoa fa tsy natao ho an'ny tena izy e!
Kanto
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Tany
Nampiditra : MaelDaty : 06/11/2003
Mpamangy : 2896
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
FehizoroLasa teo ny saiko.
Noelin’ny mahantra !
H an' i vero !.
Adala aho
Safosafo
Dia sahinao
Fy mailo
Ra!! valo