Amidiko ny foko (Ny ventso)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amidiko ny foko

Amidiko ny foko
Amidiko tsy lafo izay mety takatrao ;
Izy aloha tsy lainga fa tsy fo vaovao … ,
Efa niatrika ady fa mbola afaka mitempo ;
Ka sahinao ohatrinona ; fa omeko re mba ho ento .

Amidy izy fa ;
Izy aloha lazaiko fa marefo sy marary ,
Ka mila olon-kafa anie raha toa ka alainao ;
Tsy maninona fa afaka atakalo fo vaovao .

Fa ity aloha teny kely eh !
Izy io ange indraindray somary maditraditra !
Ka aoka izay haka azy mba olona mahavita ?
Ataoko fa io foko io mantsy toa sarotra hanarina .

Ka izay no tena antony handefasako azy
Izy aloha tsy afeniko fa efa tofoky ny ady !
Tsy mifidy na inona na inona ; na ratsy na ho tsara ,
Raha vonona ny haka azy ianao mbola ato izy aza tara .

Ny Ventso

13
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
373 2
Mpakafy: SANAKERIB - Roberto2001
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny ventso
Nampiditra : SANAKERIB
Daty : 15/03/2024 05:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148