Ny fitiavana (Ny Voaroy )
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavana Ny fitiavana mantsy dia avy amin'ny Nahary,
ekeko ny fahamarinan'izany
fa isika no anisan'ny zavaboahary
miavaka indrindra amin'ny ety an-tany.
Ny finoana, fitiavana, fanantenana
nomen'Andriamanitra antsika daholo,
Mbola nomeny fanahy handalana
'lay maha olombelona ny olon-tontolo !
Misoko mangina tsy rototra akory,
isambaran'ny endrika maro isehoany
kanefa matetika iri-mahaory
dia mbola fitiavana ihany no ambony.
Ny Voaroy 19/01/18
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
