Sôva momba ny vazo (Ny Voaroy )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOVA MOMBA NY VAZO

Vaky ny sôva momba ny vazo
Vazo malefaka mahamanina
Mahamanina ny vazon’ilay tantsambo
Tantsambo miandriaka mampiasa sambo
Ny sambo fitaovan’ny zanadrano
Zanadrano voalaza fa mpanarato
Mpanarato mihira eny amoron-drano
Amoron-dranon’ny manina tsara vazo
Ny vazo voaravaka taralila
Taralila miritsoka mahaliana
Mahaliana ny vazo raha tsara rindra
Tsara rindra ny feon’ireo mpihira
Ireo mpihira mivazo ka mahavariana
Mahavariana ny jamba fa tia mihira
Ny hiran’ny sembana tsy hay valiana
Tsy hay valiana ny vazon’ireo sima
Mmm, maro ny vazo fa ity no hafa
Hafa ny vazo notsofin-drivotra
Tsofin-drivotra avy any atsinanana any
Avy any ny embona no tonga vazo
Tonga vazo ny aingan’ilay pôety
Ny pôety malaza ho mpiangaly teny
Ny teny rehetra voaray an-tsoratra
Ny asa soratr’i Rado nanjary vazo
Fa manam-bazo tsy ambakany raha i Dox
Ny vazon’i Dox vonim-paiso
Ny paiso dia ravaky ny tanàna
Ny tanàna tsy ilaozana olomanga
Olomanga mihira ka tsara hira
Ny hiran’ny Ntaolo ka tena vazo
Tena vazon’ny manina raha ny sodina
Ny feon-tsodina kanto raha eo ny tompony
Ny tompony tsy iza fa Rakoto Fra
Rakoto Fra mpanjakan’ny mpitsoka sodina
Ny sodina eo ihany fa ny valiha
Ny valiha tsara tohana tsara vazo
Tsara vazo tsy hadino ireo voninkazo
Mmmm, kanto ny sôva momba ny vazo
Velon-tsioka ny vorona anaty ala
Anaty ala ny vorona tia mivazo
Tia mivazo ny vorona sarivazo
Ny sarivazo eo ihany fa ny lava sanga
Lava sanga mpihantsy an’ireo akanga
Ny akanga mpivazo ny tsaratsara
Fa tsara tsy hadino ny voromanga
Ny voromanga malefaka anaty ala
Anaty ala ny tsintsina manam-bazo
Manam-bazo tsy ambaka ny vorondreo
Vorondreo mpitoreo fa ny vorombola
Ny vorombola malaza fa ny Rainilovy
Rainilovy mivazo ka mahagina
Mahagina ny vazony samihafa
Samihafa ny vorona anaty ala
Anaty ala fanjakan’ny Railovy
Mampivazo ny manina tsy hangina
mmmm… Tsy mangina ny trano raha misy zaza
fa ny zaza no mpivazo ao an-tokantrano
ny tokantrano tsy izy raha tsy misy zaza
fa ny tomanin’ny zaza no tena vazo
tena vazo tsy foy ary tsy azo hadinoina
tsy azo hadinoina ny zaza mibadabada
ny badabadan’ankizy ka mahasondriana
mahasondriana ny ankizy amin’i Dadabe
Dadabe tia miritsoka feom-baliha
Feom-baliha no arahin’i Nenibe
Vazo sy angano ka tsarabe
Fa hialako ny sôva momba ny vazo
Fa ny vazo dia maro raha tanisaina
Vazo mihira ny sombin’ny aina.

Ny Voaroy 05/02/2025
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
4 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Voaroy
Nampiditra : Mikoriana
Daty : 07/06/2026 23:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121