Any andro iray - oceane
Azo vakiana?
Fa any andro iray
izay hanadinoako
ny aminao rehetra
Any andro iray
tsy ahatsiarovako
ilay antsika hatramin'izay
Dia any andro iray
hivadika ho lasa
ireo vita hatrizay
DIa ho avy ny andro iray
hanembona tsy satry
ny antsika koa ianao
Ka ho avy andro iray
ahatsiaro ianao mangina
ireo antsika tsy ho iray
Amin'izay fotoana izay
tsy ho ianao intsony
no ho anton'ny fisiako
Amin'izay andro izay
ho hadino tanteraka
ireo izay fahoriako
Fa any andro iray
"na ho maloka aza ny andro
ny ao am-poko ho masoandro"
Ary any andro iray
na hiverina aza ianao
ny foko dia ho vato.
Hevitra mandeha
fiaritiana (12/12/2005 19:23:55)
Mombamomba
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindraDaty : 18/05/2005
Mpamangy : 1215
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
vavakary Gasikarako
Ianao
Vetsovetso
SAIKA FITIA
???
Eux ...
Avela izy handeha
Mijanonà any
Soa fa ...