ry Gasikarako - oceane
Azo vakiana?
ry gasikara tany mamiko
Mampalahelo niafarana!!
ny kolikoly tsy tononiko
Sa ve difotry ny fahatrana
Ny asan-dahalo tsy hay lazaina
mirongatra tsy mahalala onony
Ny vahoaka efa mitaraina
Ovina no hivaly ny tolony?
ny fanjakana mba iankinana
Adi-seza sesilany
Ka andao re hifampitsimbina
Fa tena reraka ny tany
Ny lalana feno lava-davaka
tsy mba misy fanamboarana
ka andao ho tsara ravaka
fa tsy ny vita ndray no rodanana
Malahelo aho ry gasikara
Aiza ny lazanao fahiny
Mino aho fa tsy ho diso anjara
fa aleo roahina ny vahiny
Aiza enao ry zanahary
Vonjeo lay gasikaranay
ianao no ray mpahary
inoako fa mba hahavonjy anay
Sokajy :
Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : ghammyandrianarisoaDaty : 02/11/2017
Mpamangy : 712
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
vavakaIanao
Vetsovetso
SAIKA FITIA
???
Eux ...
Avela izy handeha
Mijanonà any
Soa fa ...
very