You are here: home > Vetso

Aza tsiny indrindra - oceane

Azo vakiana?

Dia iny aho fa tonga
efa nanampo ny zavatra hitranga
Tsy sarotra ho anao
ny nilaza tamiko
fa tokony hifarana
ilay fitia niarahana

Tsy maninona hoy aho
somary tsy taitra, nitsiky kely
Fa raha mba fantatrao
fa ranomaso niniana tsy hikoriana
ilay voatanako tsy satry
dia ho mody nalahelo ianao

Tsy hilaiko akory izay alahelo izay
tsy ilaiko akory fitserana iray
fa rehefa sambatra ianao
nefa tsy eo anilako
dia ataoko ampy izay
hanadinoko anao

Ny hijanona ho mpinamana
izay ambetin-dresakao
dia hialako tsiny
fa tsy mbola sitrana ny foko
Tsy mbola vonona izy
hamela ny helokao
tsy hitia azy intsony

Mbola mankahala anao tanteraka izy
ka aza tsiny indrindra
raha tsy voatso-dranony akory
ny fiarahanareo
Mbola miezaka izy
tsy hiantso anao intsony
tsy hanantena akory
izay fiverenanao
Koa aza tsiny indrindra.

Sokajy : fisarahana

Hevitra mandeha

Miarantsoa (15/02/2005 16:47:44)

Eeeh! Mahereza e !
Mivavaha mafy mba homen' ny Tompo hery hanadinoana !
(Aretina itovizana !)
Namana mpanoratra !

andreasr (25/10/2007 11:15:32)

mafinaritra be mihintsy e, tohizo fa tena tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : oceane

Nampiditra : nahrindra
Daty : 26/01/2005
Mpamangy : 847
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

vavaka
ry Gasikarako
Ianao
Vetsovetso
SAIKA FITIA
???
Eux ...
Avela izy handeha
Mijanonà any
Soa fa ...