...'lay fitiavana - oceane
Azo vakiana?
Ny amiko rehetra
miafina aminao
Fitia tsy manam-petra
no toa natolotrao
Tsy hitanao akory
ilay foko toa tsy tia
Ianao minia matory
manolotra ahy fitia
Niezaka aho ny hanadino
ilay fitia taloha
Saingy toa tsy mampino
nipongatra io, nifoha
Hany hery sisa
nandao anao tsy satry
Nandeha hamisavisa
ilay fitiavako efa maty
Hevitra mandeha
betroka (08/08/2004 22:36:32)
Tsara ity tononkalo ity. Mipetrapetraka ireo gadona ao amin'ny andininy roa voalohany. Indro misy soso-kevitra ho an'ny andininy roa farany izay somary mavesatra vakiana araka ny hevitro :
Niezaka aho hamono
Ilay fitia taloha
Saingy tsy voafono
Nipongatra io, nifoha !
Hany hery sisa
Nandao anao tsy tanty !
Nandeha hamisavisa
Ilay fitia maty.
Mombamomba
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindraDaty : 21/06/2004
Mpamangy : 1556
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
vavakary Gasikarako
Ianao
Vetsovetso
SAIKA FITIA
???
Eux ...
Avela izy handeha
Mijanonà any
Soa fa ...