...mifampitady - oceane
Azo vakiana?
Fa raha averina ireo lasa
raha hitohy ilay tantara
Dia efa fantatra avy hatrany
izay mety ho fizotrany ...
Dia naleontsika ihany
samy mihanoka mangina
ilay tohim-pahasambarana
... saika niarahana
Fa nohezahina naverina
ilay tantarantsika roa
Fa tsy nizatra izany intsony
na izaho na ianao
Dia samy lasana nandeha
toa nasampana ny lalana
Saingy hanina tsy nahy
no mitamberina eny ho eny
Fa toa tsy mety ho tafaraka
isika toa mifampitady
Koa ermbona mangina sisa
no mba hany hifahatsiarovana
Dia tsy hisy ahalala
ny ho fiafaran'ilay tantara
Dia tsy hisy ahatakatra
... izay mahazo antsika.
Hevitra mandeha
tia2005 (04/08/2005 14:47:05)
ndriii! d ho izao foana v ilay fiainana? mifampitady lava izao? asio mifankahita hono ê!
Mombamomba
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindraDaty : 25/02/2005
Mpamangy : 904
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
vavakary Gasikarako
Ianao
Vetsovetso
SAIKA FITIA
???
Eux ...
Avela izy handeha
Mijanonà any
Soa fa ...