Raha iny ianao ... (oceane)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA INY IANAO ...

Toa tena maro loatra
ireo toetranao tsy tanty
Toa mila tsy ho zaka
mandoro ny ao anaty

Toa te hiala aho
fa tofoka sy lao
Toa te hisinda aho
hitady fiainam-bao

Kanefa ...

Raha iny ianao nitady andeha
no nahatsapako fa ...
foana ny tontolo
raha ianao no lasa

Raha iny ianao toa te hiala
no nahitako fa...
tsy ary intsony aho
raha tsy ho eo ianao

Fa iny ianao niavona iny
no nahalalako fa ...
toa zava-poana ny hitia
raha tsy ho ianao

Toa mamiko hatrany anefa
ny mbola ho ilay tianao
Toa tsy ho vita ihany koa
ny hanorina tantara vao

Koa araraoty ahjo
dieny mbola anilanao
Aza avela aho
dieny mbola tia anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1677 0
Hevitra mandeha
aliotsy ( 27/04/2006 12:30)
danz indray izany
SOBIKA ( 28/04/2006 07:37)
ndry zany ry zareo ah aza miandry ho dila foana ny lea vao hiova su=y hiala amin ny toetra ratsy! dieny mbola eo antananao izy dia fantaro fa sarotra ny mila
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : Manoo
Daty : 27/04/2006 07:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037