You are here: home > Vetso

very - oceane

Azo vakiana?

Very

Tsy misy azo atao
tsy misy azo antenaina
intsony ny amintsika

Fa lasa ianao ry tiako
lasa ka nandao
tsy hierika intsony
ireo vita hatrizay

Fa very tsotra izao
ilay fitia tanaty
fa olon-kafa indray
no mababo ny fonao

Miezaka ihany aho
hanadino tsotra izao
ireo lasa hatrizay

Fa saingy very ianao
very tsotra izao
tsy tia ho zinaha
tsy tia ho tinady

Hany hery sisa
manadino tsotra izao
tsy manome akory
intsony vaovao

Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

Malalason (14/12/2006 12:09:03)

"raha ny an'ahy lasan'olo am'ray za tsy maintsy misolo"
"raha olona iray no tsy tia mitoto koba hatavy" raha manam-potoana ianao dia jereo ao @ ohabolana ao (fitiavana) famisy hoe : Vodin-tsobika aza manantandrify mainka fa... aleo jerenao fa somary mampihomehy ilay izy.
mirary soa
Malalason

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : oceane

Nampiditra : nahrindra
Daty : 13/12/2006
Mpamangy : 970
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

vavaka
ry Gasikarako
Ianao
Vetsovetso
SAIKA FITIA
???
Eux ...
Avela izy handeha
Mijanonà any
Soa fa ...