Seranan-drahona - oceane
Azo vakiana?
Dia nitanondrika aho, tsy nahajery azy
nitanondrika avy hatrany, tsy nahatraka intsony
Ankona tanteraka, tohina avy hatrany
vao nahare ilay hoe tsy tia ahy izy.
Nihodina ny tany
nihamatroka ny lanitra
Nirotsaka ny orana
dia nangatsiaka aho
Dia izy koa nandeha
fa mbola maika hono
Izaho sy ilay foko
navelany teo
NIpotrapotraka, ilay ranomaso kely
f'izy kosa hoy aho, tsy mba nierika nijery
Ilay izaho izay manirery...
Mombamomba
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindraDaty : 11/02/2005
Mpamangy : 1007
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
vavakary Gasikarako
Ianao
Vetsovetso
SAIKA FITIA
???
Eux ...
Avela izy handeha
Mijanonà any
Soa fa ...