Taitra aho - oceane
Azo vakiana?
"Taitra aho raha nahare fa hay ianao,
tsy nitia ahy akory hatrizay."
Hitako amin'ireny fihetsikao
tsapako amin'ireny teninao.
Fa saingy nodiako tsy niraika
fa saingy nodiako toa tsy taitra.
Dia nifarana ilay antsika
izay niatomboka vao tsy ela
Satria hono tonga izy
ilay tena tompo-toerana.
Dia nangaina teny aho
nahare ilay resakao
toa tsy rototra akory.
Saingy raha mba fantatrao
fa namela ratra ireny
Saingy raha mba takatrao
fa nanindrona ireo teny
Dia angamba naleonao
tsy nanome akory
fanazavana na dia kely.
Dia asa ianao raha mahatsiaro
na efa nanadino tanteraka
fa aleoko koa izay
sao aho diso fanantena
fiverenana tsy hisy.
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindraDaty : 11/02/2005
Mpamangy : 871
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
vavakary Gasikarako
Ianao
Vetsovetso
SAIKA FITIA
???
Eux ...
Avela izy handeha
Mijanonà any
Soa fa ...